NY ZIPO FOHY VE TSY SALAKA IHANY EH…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY ZIPO FOHY VE TSY SALAKA IHANY EH…!
Neny mazàna izaho manontany.
Ny zipo fohy ve tsy salaka ihany?
Samy toa zara raha misy takonana,
dia aza gaga raha misy manolana!

Fandrosoana hono, ny zipo fohy.
Angamba kosa, efa ho adala itony.
Moa ve tsy salaka, ny nanaovana fahiny?
Dia niverina ihany izany izy ankehitriny.

Reharehana ery ny an’ny hafa,
nefa nalaina tahaka tamin’ny salaka.
Mitovy firafitra jereo izato izy.
Fandrosoana ve izao, tena mahakivy?
RRAG
17 Desambra 2012
--------
Rohy:
407 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0223