RAHA FAHASAMBARANA... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAHA FAHASAMBARANA...
Ry aiko!
Vao ary ianao dia nisy ozona,
nobabena avy any am-bohoka!

Sombin'ny aiko!
Ireny rehetra 'reny no zary poizina,
asa angamba vidin-trosa a?

Vidin'ota efan-drazana,
fony ary Adama sy Eva!
Sa vidin-dràn'ny tanindrazana,
tanaty tolon-tena 'ngeza?

Vao ary ianao dia indro, latsaka
tomany ka mihiaka mafy!
Oviana izany no hitsahatra,
raha tsy olona efa maty?

Raha fahasambarana izany
no hirina eto an-tany,
dia ho nofy, nefa moa karohy ihany,
sao mba misy any ho any!

Misy any, mahantra ory vola.
Eo ny mpanana, ory fitia!
Misy foana tsy ampy angola,
indrindra fo lazaina tia!

Raha te hisambatra ianao!
Fotsiny, hifalio ny misy anio!
Ka aza enti-mitatao,
ny embon-dasa mitadio!

Eo fenoy tsikitsiky,
ny sedra hitolomanao!
Alao am-bava ilay indrisy,
dia isambaro izao sy izao!
Fa ary ireny ho anao!

Raha fahasambarana ry aiko,
dia tokana io, ka avy aminao!
Koa mahereza sombin'ny aiko,
amin'izay ho lalanao!
Dia misambara tsotra izao!
RRAG
08 Jona 2021
--------
Rohy:
244 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0221