RANOMASOM-BADY, FO MARATRAN-JANAKA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RANOMASOM-BADY, FO MARATRAN-JANAKA…
Iny ady iny, no nitondra ranomaso.
Iny ady iny, no hany lasa toa ankaso.
Nandrava hafaliana, namoizan’olon-tiana,
sady toa nanosy dina, no nanimba vinavina.

Iny ady iny, no nanery ilay fandaozana.
Iny ady iny, no zary foto-pihavaozana.
Saingy ranomasom-bady, fo maràtran’anaka,
no zary lasa fato-tady, fery efa nanaranaka.

Iny ady iny, ilay tsy nifarana hatreto.
Iny ady iny, no nitondra fo nisento,
voatahiry anaty, fo maràtran-janaka.
Iny ady iny, no ranomason’ny taranaka.

Lavon’iny mantsy ny aina, dia nalavony ny tena.
Nisy mihitsy kely saina, sahy namadi-pirenena.
Noho iny ady iny, dia famato-miankim-pasana,
hantsana mandringana, nandevonana ny lasana.

Iny ady iny, no foto-draorao.
Iny ady iny, no niaingàn’ilay talaho,
ka ho iny ady iny, no handringana ny maro.
Iny ady iny, no hanery fo tsy hikalo,
tsy hikalo ho an’ny firenena!
RRAG
Aogositra 2012
--------
Rohy:
320 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0224