RAZAMBE… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RAZAMBE…
Voron’ny ala, fanilon’ny saina, olon’ny fitia.
Niaro ny taranaka, fara-mandimby, nanoro ny dia.
Ireo razambe, ‘zay namoy ny ainy, tamim-pitiavana.
Tsy hohadinoina, na koa hovonoina, fa raketina am-po.

Kintan’ny alina, taratry ny fo, ireo ‘zay nataony.
Ka namoizany, ny hany fananany, sisa tavela.
Sisa navela, handrotehana ny ainy.
Hamotehana azy, ho vovok’indray.

Ny teny zana-drivotra, mandalo miserana.
Ny sora-mitoetra, mba ho fanarenana.
Fa ny soatoavina, ‘zay nohitsakitsahina,
no nanimba ny hasin’ity tanindrazana.
RRAG
Ny taona 2007
--------
Rohy:
441 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0226