ROJON’ANKASO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ROJON’ANKASO…
Tomefy alahelo ny foko ato anaty.
Mangidy ny tsiaro minia mitsimoka.
Tadidy noheverina ho rava na maty,
hay moa ka tsiahy nilevina anirotra!

Mihevingevina loatra ny tany aman-danitra.
Ka mihoro hatramin’ny efa nilevina.
Tamberin-dasa miary zava-maranitra,
no indro manindrona ny atin’ny velona.

Rojon’ankaso feno setrasetra,
no miaina an-tratran’ny vata-mafana.
Injay fa mitepo manaraka sedra,
tadidy nandràtra ka tiana hofafana.

Aleo hitomany aho hitsiaro an’i Antsa.
Aleo aho hisento handatsa-dranomaso.
Hamela hitepokely, ‘ty foko maràtra.
Voafatotry ny lasa ‘zay rojon’ankaso.

Dia lasa tokoa mantsy ‘ty zandry malala.
Namela tsiaro izay tsy hay vonoina.
Ny tsiahy mitamberina toa mila hahadala,
kanefa ny fo tsy maintsy tra-boina.

Antsa! Mitamberina anio ireny andro nahory,
nampitomany an’i Kaky sy Neny.
Noheverina ianao fa hoe resi-tory,
hay ve ry Antsa ka…. Nangina tsy niteny!

Rojon’ankaso tokoa ny eto an-tany,
setrasetra lava mandrotika fo.
Aleo aho ry Antsa mba handatsa-tomany,
hamerina ny tsiaron’ireo taloha!
RRAG
04 Nôvambra 2018
--------
Rohy:
280 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.023