RY ALIM-PAHANGINANA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RY ALIM-PAHANGINANA…
Raha azonao atao, ry alim-pahanginana,
dia aleo ny nofiko, toy ny omaly ihany.
‘Lay tontolo tsy fahitako, ‘lay tokam-pahangirana,
ilay misy an’i Meva, ka tsisy ny tomany.
Raha azonao atao, mitsidiha ahy matetika,
mba hitamberimberina, an’efitro ny hetsika.
Maneho ilay bikàna, manoritra an’i Meva,
ry Andriamanitra ô! Ho anao re ny dera.
Fa aza avela akory, ny handao ahy,
‘lay nofin’ny fitiavako, namono ny ahiahy.
Ka diso nisolelaka, ny herin’ny haizim-poko,
aleo hanjaka ao, ilay tokana tsy foiko.
RRAG
01 Mey 2012
--------
Rohy:
290 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0225