RY LANITRA AMBONY…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RY LANITRA AMBONY…!
Raha vorona misidina, iry habakaba-manga,
misioka velon-kira, ren’ny fo mimalo,
dia mety mba hitondra, tsikikely angamba.
Rivotra madio, ahafaham-po mikalo!

Ry lanitra ambony, voafafa ny tomaniny.
Ireny aza moa, velombelona eny!
Omenao isan’andro, ny arapany sy hohaniny.
Dia izaho ve, tsy ho hasianao jery?

Raha lanitra mitaratra, ny ivon-tsy hita maso.
Mitondra ny mahasoa, irony ambany ravina.
Dia mety fahavalo, tsy resi-mpiankaso.
Namana miaro, andro aman’alina.

Ry lanitra ambony, naman-tsy mahafoy.
Ny vavaka nataoko, mbola iandrasam-baliny.
Saingy raha ny foko, tsy hisasatra ny hanohy.
Hivavaka hiantso anao, mba hisian’ny rariny!

Mba hisian’ny rariny, ho an’ny fireneko.
Hanafaka azy faingana, anaty fahantrana.
Na izany aza, ianao tsy hotereko,
f’izay omenao ahy, dia horeveko manja!
RRAG
Febroary 2012
--------
Rohy:
289 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0245