RY LANITRA AO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RY LANITRA AO…
Ry lanitra ao ambony, ity indray ny vokatro,
eo mba handrotraho, ny tso-dranonao.
Inty izy, harafitro amin’ny soratro,
mba ho fankasitrahako, ny talenta avy aminao.

Ry lanitra ao ambony, indro ny amboara,
‘zay amboaran-tononkalo, mizara fifaliana.
Mitanisa ireo, karazana tantara,
misy fijaliana, rakofam-pahoriana.

Ry lanitra ao ambony, mba hiderako anao,
amin’ity talenta, natolotrao ho ahy.
Dia ‘reto tononkalo, sitraka ho anao,
mba hampitony fo, hitoeran’ny fanahy.
RRAG
21 Martsa 2013
--------
Rohy:
338 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0218