RY SEDRA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RY SEDRA…
Ry sedra tia miriaria,
fa rahoviana vao hifarana,
‘ty fihatsarambelatsihy,
arahinao ankasomparana?

Ry sedra aoka fa tsy ho efa,
aoka fa tsy ho zaka,
‘ty fitiavanao hanjaka,
anaty fiainan-tsetrasetra.

Mba jereo ireo mijaly!
Mba jereo ny an-tanany!
Eo jereo ny fananany,
‘zay vao mampijaly azy.

Ry sedra tsy mba tia namana,
ry sedra tsy mba an’ny mpanana!
Aoka, aoka izay ‘ty kapokao,
fa tena diso mankalao!

Ny anio ny azy vao tadiavina,
tsy andriany andro aman’alina.
Nefa ianao toa tsy mijery,
ireny olo-miady ireny!

Ry sedra ‘ty mitsapatsapa!
Tsy laviny, fa ianao no tompon-daka,
nandresy azy an-kafetsena,
nanararaotra azy hianjery.

Eny, nanararaotra azy,
tsy nana-mpampiharina intsony!
RRAG
Febroary 2012
--------
Rohy:
279 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0293