SAIKA NIDIRAN-DOZA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAIKA NIDIRAN-DOZA…
Ianao ilay mpandalo, sendra nivahiny, no niantefan’ny jery.
Natopinao koa, ‘ty masonao hitazana, ‘ty maso mijinery.
Mangalatra aho mandinika, ‘lay endri-tavanao, sariaka kanto ery.
Asa, izay tokoa ve, ‘lay tsela-baratra tsy tanty, entin’ny fitia?

Niandrasako ho foana, ny efitra fihinanana, ‘lay nahitako anao.
Teny aminao foana, ny masoko nitazana, izato fitsikinao.
Fitsiky toa miavaka, tsy manam-paharoa, nambabo ahy sahady.
Tiako ho azy ianao, babonao ny foko, toa resy tsy niady.

Nangina ny efi-trano, foana, ny seza aman-databatra.
K’izaho sy ianao sisa, no tavela teo, variana nifampitazana.
Injay nanatona aho, nanisaka ny sezako, ho eo ankilanao.
Hoy aho tsy nihambahamba hoe: “Ry mpivahiny, tiako ianao”.

Kinanjo ianao nihomehy, nibanjina ny tavako, zary vahotra aho!
“Ianao toa mampihomehy”: Hoy ny teninao, ka saika safotra aho.
“Izaho tsy hoe tsy tia, fa efa manan-tompo, ka manaja voady”.
Hoy ianao tsy niahotra: “Izao anie ka, efa manam-bady”!
RRAG
23 Janoary 2018
--------
Rohy:
370 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0222