SAIKA RENY... (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAIKA RENY...
Ianao ilay nikolo naniry ny hitaiza,
saingy nosembanan'ny aloka tsy satry.
Asa Tompo o! Nentinao nankaiza?
'Lay tara-n'ny masoandrony no toa matimaty!

Ny sombintsombin'ny ainy nalavonao tan-dalana!
Navelanao irery tsy hotantanan'ny ainy!
Izay tokoa ve Tompo, no tena fandaharana?
Kanefa e! Mbola tsy takatry ny sainy!

Saika Reny! Saika mba nitrotro!
Saika nampinono, saika koa nandrotsy!
Faniriany mafy, ilay hitaiza sy hibotro!
Saingy! Tsy navelan-dahatra ny hitosy!

Tonio ny fony Tompo o! Fafao ny alahelony!
Omeo ny saina tony, hahafahany mamantatra!
Fa tamin'ireny sedra, tsy nisy akory elony!
Fa ny fiainan'eto dia mbola ankamantatra!
RRAG
30 Mey 2021

"Ho an'ireo rehetra naniry ho Reny!"
--------
Rohy:
200 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0241