SORA-TANAN’ILAY MALALANAO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SORA-TANAN’ILAY MALALANAO…
Diam-penina nasosany, hilaza ny ao am-pony,
hoe: “Mbola tiany ianao”.
Mampatsiahy irony lasa, isan’ireo tsaroany,
ny hamamin’irony, teo anilanao!
Ny safosafonao eh! Voatanisany avokoa.
Ny orokorokao, niodidina ny molony.
Indreny, ny fidoboky ny fo roa,
tsaroany ihany koa, fa isan’ny natolony!
Ny fahadiovam-batany, mba ho fatoranao,
dia tanisainy an-diary, ‘reo zavatra natao.
Eny, hatreny am-parafara, ka hatreny amoron-drano,
mbola ao an-tsaina, ilay teny an-jorontrano,
‘zay efa trano haolo, tsy misy mipetraka,
teny mantsy hono, ianareo no tafaresaka!

Sora-tanan’ilay malalanao, firafitra diary,
tantara fohifohy, voasoritra an-tsary.
Mampatsiahy anao ny vita, sy ‘reo mbola an-kinasa,
hinoany fa tsy hijanona, amin’iny koa ny lasa!
Fa mbola hitohy indray, handrafi-java-mamy.
Mbola hanjaitra koa, ny triatran’ny tomany,
tavela foiny ianao, niainga ho any ampita.
Mitoetra hatramin’izao, f’ianao mbola tsy hita.

Ka hadisoany ve, ny mitsiaro sy manoratra?
Na ihany koa, ny mihazona ny soratra?
Izay nalefanao, ho fampaherezana azy,
fa avy any ianao, ‘nareo roa hivady.
RRAG
21 Martsa 2013
--------
Rohy:
280 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0228