TARATASY HO AN’NY TANIKO… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TARATASY HO AN’NY TANIKO…
Any ianao ry Madagasikara,
sanatria tsy manadino.
Fa mitady izay mba tsara,
saingy indrisy tsy nampino.
Fa ianao no toa tafara,
sisasisam-pahatsiarovako.
Raha sendra aho ka mahatsiahy,
toa tanàna fandalovako,
fandefeko ny ahiahy.
Any ianao ry Gasikara,
mety efa levon’ahitra,
vao nahita tsaratsara,
dia nahetri-boninahitra.
Nofafana tao am-po,
ka tsy tsapako mihitsy,
raha tsy efa nahavoa,
nandràtra ny atim-poko,
ny fandaozako anao.
Fa toa mamatotra tsy foiko,
ilay tanàna misy anao.
Any ianao ry Gasikara,
tsy maintsy hiverina any aho.
Ka mba soava tsara,
f’izaho hivavaka ho anao.
Ny mba hahitànao ny fomba,
hirosoanao mangina.
Tsy ho ela dia ho tonga,
tsy nofy intsony ny faniriana.
Fa miandrasa kely fotsiny,
ry tanindrazana tsy foiko.
Tohano fotsiny ny fihontsony,
fa ianao tsy hosoloiko.
RRAG
Aogositra 2012
--------
Rohy:
273 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0219