TENY AMORON-TSIRAKA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TENY AMORON-TSIRAKA…
Teny amoron-tsiraka no nofinidy hialana sasatra,
teny ho eny mantsy no toerana mba nihataka,
somary nangina tsy nifanjevona,
teny no nisantatra ny fiantomboham-potoana.

Irery aloha ny tena ka nanorinori-tsary,
nieza-nanadino ny ferin’ny omaly,
nanao sarim-po mihataka ankiroa,
mariky ny lasa ‘zay lefona nahavoa.

Nisy sarim-po voasoritry ny tanana,
fo roa nifampihataka tsy iray sampanana,
natambatry ny riaka sy onjaonjan-drano,
lasa nifamatotra ka zary niray trano.

Nisy eritreritra hitia olon-tsy fantatra,
nisy vinavina ny hangataka sy hampiakatra,
tanaty tokitoky sy tombantombam-bintana,
nofy tsy tanteraka toy ‘lay haka kintana.

Teny amoron-tsiraka no nisy irony oroka,
lasa nankaleo sy zary nahadoroka,
nampitamberimberina ny ranomaso latsaka,
ka nampihombo ràtra ‘zay mbola tsy nitsahatra.

Teny ho eny anefa dia nisy fifaliana,
nisy tsikitsiky fa sendra olon-tiana,
nisy safosafo tsy taratry ny volana,
ny vokatr’izy ireny dia zary lasa olana.

Fa nisy tsy nirina zary tonga andro,
nisy tsy noheverina tonga hiseho masoandro,
nisy aina kely vokatra hadalana,
aina dongadonga hiantso anao hoe: “Mama”.

Teny amoron-tsiraka no nisoritra ainga vao,
niova ny tantarako sy ny tantaranao,
tanteraka ny nofy na sendra tsy nampoizina,
ny fiainana irina anefa dia mba tsy ho feno poizina.

Teny amoron-tsiraka no nampifamatorana,
fo roa samy tia ‘zay nitovitovy olana,
samy nilaozan’ny tiany ka naràtra mafy,
dia teny amoron-tsiraka no naniry ho faty.

Kanefa dia navotan’ny fo iray tena tia,
fo iray be fitiavana sendra tafara-dia,
natositosi-bintana sy ny anjara-piainana,
ho vady mandramaty am-po, fanahy, fisainana.
RRAG
18 Jolay 2018
--------
Rohy:
606 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0242