TERA-BAZAHA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TERA-BAZAHA…
Tsy iza tsy akory, fa ‘reo tera-bazaha?
No sahy namadika, ny tanindrazany!
Tsy iza ihany koa? Fa ‘reo niseho ho sahy,
no mety nitsoaka, noho ny hamazany!
Fa ny zanaka gasy, na dia tsy nanan’aina,
enti-nandrava, ny basim-bahiny.
Dia ireo nanan-tsaina,
tsy nanaiky nozogaina, toy ny fahiny!

Tsy iza ireo tera-bazaha, fa ireo nanadino ny fireneny?
Tsy iza ireo, f’ilay namadika ny fanekeny?
Ilay tsy nahatàna, ny voady nataony,
ka namadika foana, ny fomba fanaony.
RRAG
Aogositra 2012
--------
Rohy:
262 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0221