TERAKA! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TERAKA!
Maro ny hogahoga, re avy eny antsaha,
fa teraka ny Tompo, ilay hamonjy antsika.
Nefa mbola maro, ireo fo no toa manahy,
ny hidera azy, fa mbola mangatsiaka.

Maro ny hazavana, mandrakotra tanàna,
fa tokana sy iray, no tena fanjakana,
dia ‘lay zazakely, nateraka hamonjy.
Io ‘lay zazakely, dia i Kristy Mpamonjy!

‘Njay ny feon’anjely, miantso fideràna,
taitra avokoa, ny iray tanàna.
Fa teraka ny Tompo, dia ilay mpanavotra!
Indreny irony Majy, manara-kintan-danitra.

Sorena ny mpanjaka, nahare ny hikan’Andriamanitra,
ka dia sahy nanompa mihitsy, nanozona ny lanitra.
Nanira-miaramila, hamono ireo ankizy.
Maro ireo maty, fa tsy an’isany aloha izy!

Notairin’ny anjely, ilay Rain’ny fo:
“Mifohaza! Mifohaza! Ento izato zaza,
fa misy mikiry hamono, aza miandry intsony koa,
fa faingana! Faingana, fa ny dia ‘zao mbola ho lava”.

Teraka ny Tompo, ilay mpamonjy antsika,
teraka izy, eny teraka ho antsika.
Na dia tao an-tranon’omby, no toera-nahaterahany,
dia mpanjaka izy anefa, satria izay ‘lay fandaharany!
RRAG
24 Desambra 2012
--------
Rohy:
395 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0223