TOY NY FITIAVAN-DRENY…! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TOY NY FITIAVAN-DRENY…!
Tsy mitovy avokoa, ny Renikely eto an-tany.
Ao ireo mitondra soa, sady mamafa ny tomany.
Mampitony ny adin-tsaina, manabe toy ny Reny.
Sady mihaino ny taraina, mamela koa anao hiteny.
Misy ny fitiavan-dRenikely, toy ny fitiavan-dReny!

Misy amin’ireny tena tia, mahay mizara ny ao am-pony.
Misy kosa ny mihatsaravelatsihy, manao ‘zay tsy hampitony.
Miezaka mandrava, ny hany kely tafajoro.
Ao ‘reo Renikely, minia mihitsy ny mamono!

Fa tsy vitsy kosa anefa, irony fihantahantana!
Renikely toa Reny, sariaka ery dia mahatamana.
Toy ny fitiavan-dReny, ny fitia omeny anao.
Misy mihaino ianao, raha sendra resin’ny talaho.
RRAG
Mey 2013
--------
Rohy:
410 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0223