TOY NY RAOZY IANAO… (SAFIDY: 2012) (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TOY NY RAOZY IANAO… (SAFIDY: 2012)
Topazana maraina, fa haingon-jaridaina,
mamela-mavokely, bikàna toa anjely.
Toy ny raozy ianao, meva sady kanto,
ka toa tsy foy mihitsy, fa miendri-bikan-dranto.
Toy ny raozy ianao, naman’irony lisy,
noho izao tontolo izao, dia efa tady ho dify.

Toy ny raozy ianao, tsara nefa indrisy,
ireto felanao, mihintsana tsy misy,
ka maina hatramin’ny ravina, fa sendra ferinaina.
Finga-mirako-javona, mila hanafak’aina!

Toy ny raozy ianao, fa sendra tsy nitsiry,
nofin’ny omaly ihany, fa mbola tsy naniry.
Faka efa maina, no sady sisan-dasana,
ny nipoiranao, dia toy ny avy any am-pasana.

Toy ny raozy ianao, miandry karakara,
mila tondratondraka, fa voa tena tsara.
Nefa koa indrisy, fa mora mankalao,
satria ianao mihitsy, no fototry ny talaho.

Toy ny raozy ianao, famari-paradisa,
haingon’ity tany, mpandravin-disadisa.
Miavaka sy tokana, kanefa maro anisa.
Hafa ihany ianao, na dia tsy mora hita!

Toy ny raozy ianao, voa mora malazo,
be fanantenana, sady iray fivazo,
amin’irony taho, mpandràtra fo malefaka!
Na ny hitafy anao aza, toa mety hahamenatra.
RRAG
26 Nôvambra 2012
--------
Rohy:
479 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0219