TSININAO SA TSINIKO…? (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSININAO SA TSINIKO…?
Vohitra tsy ho ahy, raha ny fitiavanao,
kanefa dia nihanihako,
ny rehetra aminao, tiako tsotra izao,
tontolom-pifaliako.

Midoboka tsy miato, ny atinao ry foko,
ka mampitroatra ahy,
ny fitiavako anao, no hany fitoniako,
ilavitra ahiahy.

Tsininao sa tsiniko, ity mitia mangina?
Tsy sahy maneho akory, ny tena ao anaty,
rahoviana moa vao ho vaky, ny hikam-paniriana?
Asa, angamba rehefa izaho ho faty.

Ry fo adaladala, ry sainabe kanosa!
Tsininao sa tsiniko, ny tsy miloa-bava?
Sa kosa lahy ny heriko, no tena mbola votsa,
ka mampiahotra ahy, izato ady efa ho lava?

Tsininao sa tsiniko, ny nanopimaso,
hitazana mpandalo, hanintona fitia?
Dia iza izany isika, no tena mpiankaso,
mitia ihany anefa, fa tsy mba hiara-dia?

Tsininao sa tsiniko, ny ho vonton-dranomaso,
anaty alahelo, satria tokoa an'ny hafa?
Ianao 'lay notiaviko, namoha ny torimaso,
tanaty nofy lalina, izay tsy ho anio tsy ho lasa.
RRAG
12 Jona 2018
--------
Rohy:
765 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0222