TSY HINIANAO! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY HINIANAO!
Nojinerinao ny masony, nangovitra izy avy eo,
voafatotry ny ankasony, ‘lay fony vao naneho,
hoe: ”Babonao tanteraka”, ka mila anao, mila anao!
Satria tiany ianao, eny! Tena tiany ianao.

Vahotra ny lelany, tsy nahaloa-peo.
nihovitra ny vavany, tsy nahavita ny naneho,
ny atim-pony ao, tahiriny efa ela.
Manahy anefa izy, sao ho tavela,
raha iny ianao ‘lay tiany, manatona olon-kafa.
Ny hasarotam-piarony aza, mahita anao mitafa,
miresaka amin’olona, tsinontsinonao,
dia mety handràtra azy, na dia tsy hinianao!
RRAG
21 Martsa 2013
--------
Rohy:
258 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.022