TSY HITAKO NY AMBARA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Teo am-pandinihana ireo tahirin-tsary aho no natosiky ny fahatsiarovako hanoratra ity amboara iray ity. Amboara atolotro manokana ho an’ireo: “Reny” rehetra ka nahay nizara fitia tamin’ny sombin’ny ainy sy ny vady malalany.

TSY HITAKO NY AMBARA…
Reny i? Neny! Mama! Tsy hitako ny ambara,
fa feno fifaliana ‘ty foko miarahaba,
anao ‘lay tratra fety, amin’ny andro anio!
Ho tojo hazavana e! Ho lavitra tadio!

Neny a! Tam-bohoka aho dia efa, nahazo ilay fitia.
Tohofanao ‘reo tsiky an-tsori-tavanao.
Zaza aho notantanana, mba hiarakara-dia,
Amin’izato lalana, ‘zay fandalovanao!

Ankehitriny dia tadidy, ireny lasa ireny,
K’izay ry Mama, no nahatonga ahy hiteny,
hoe: “Tiako loatra ianao, mamiko tsy foiko”.
Irony lasantsika, injay fa toa tsaroako!

Reny! Neny! Mama! Tsy hitako ny ambara,
fa ny hany ato am-bava, mahatonga lela hirada,
dia ny tiako ianao! Tiako tsotra izao!
Koa arahabaiko ianao, tratry izao fety izao!
RRAG
07 Jona 2020
--------
Rohy:
433 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.025