VATA-MANGATSIAKA (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VATA-MANGATSIAKA
Minitra vitsy monja, no hany nahavelomany.
Segaondra fohy dia fohy, no navela nitolomany.
Vao teraka izy, dia nalavon’ny tany.
Tsy misy ràtra, mafy toy izany,
hoe: “Mamoy ny anaka, fotoana vitsy”.
Amin’izany izy ireto, toa kambana mihitsy.

Vata-mangatsiaka, tsy misy fofon’aina.
Vata-mangatsiaka, tsy afa-mitaraina.
Resy sahady, ireto natera-dReny.
Resy tsy niady, tsy mba navela hiteny.
Tsy navela hisafidy, ny lalan-kombany.
Fa vao ary dia, hatoto-bovo-tany.

Miangatra loatra, ‘ty lanitra ambony.
Ny fahorian’ity Reny, toa tsy tsapany akory.
Ny alahelony, mainka tsy ho tana.
Izao no mahatonga, ilay hadalana.
Manimba ny saina, ity filafila.
Zaza vao teo ve dia, efa dila?

Tsy manam-pofon’aina, ny fony tsy mitepo.
Angamba kosa izay, tsy vitan’ny sento,
fa ferin’ny aina, enti-mandramaty.
Reny toa an’iza, no mety hahatanty!
Hahatanty hijery, ‘ty vata-mangatsiaka,
ny zanany kambana, izay tsy ho namantsika?
RRAG
24 Desambra 2012
--------
Rohy:
278 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2657