VELOMA “BONNE NUIT”! (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
VELOMA “BONNE NUIT”!
Fanonoko isak’alina, an-kafa-tarobia,
ilay veloma ho anao, veloma “bonne nuit!”,
raha iny aho sendra manina, mahatsiarotsiaro andrỳ.
Mitsiahy ny fahiny, mitsiaro ilay fitia,
manembona anao, any ilavitra any,
anatin’ny hafatro iny, misy fo tomany.

Tsy mety miala am-bavako, ny anaranao,
ny hafatra soratako, tsy toy ny vao natao,
fa toy ny tahiry, am-bokin’ny fitia.
Mitondra lohateny, veloma “bonne nuit”!
RRAG
21 Martsa 2013
--------
Rohy:
1267 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0287