ZARA-FITIA… (RRAG)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ZARA-FITIA…
Ry anjely iray mitaratra, ny lalana tsy tazako,
ho fahadisoako ve, ny hanontany anao?
Iza no anarana, ‘lay tokana mandravaka,
izato hakantom-bika, manavaka anao?

“Ry tovolahy mijojo, mora taitra maso!
Tsy diso aho angamba, raha tsy hamaly anao.
Ianao tsy lala akory, raha irony mpiankaso,
dia mody manontany, hoe iza moa izaho?”

Sanatriaviko ry raozy, hasin-jaridaina.
Sanatriaviko ny hanosy, ny hasin-danjanao!
Fa ny foko izay marary, no reko mitaraina,
nanosika ahy mafy, ny hamantatra anao.

“Raozy! Anjely! Toa sarin-teny loatra,
tsy mendrika akory, hitafiako ny henatro.
Ny teny ambaranao, toa efa tsara voatra,
sao lahy ho fitaka, hanamaizinina ny efitro.”

Sanatria ry voromanga, firavaky ny lanitra,
sanatriaviko ny hanakona, izay masoandronao!
Fa ny foko, no reko efa jamba,
ka aza avelanao, avela ny hitalaho.

“Tsia! Tsy izany velively, fa tiako lala fotsiny,
sao ny fijery, no hoe nanaitra anao!
Reko anefa izao, fa toa efa hatrany am-potony!
Lalim-paka mihitsy hoe, ity fitiavanao?”

Azafady kely, izaho no Mahefa,
‘lay tovolahy mahantra, zana-borondolo.
Sahy miatrika ady, ary tsy milefa,
ny sedra entin-tany, minia ny miantefa,
mamingana ny osa, toa ahy izao.
Ka mitraka hatrany, na ino-raorao?
Hiniany hazera, handrava ny finoako.
Dia vonona aho ny hiady, vonona ny foko,
ny handray anao, raha toa ka sitrakao,
satria, ianao ilay tsy foiko!


“Aza dia manetri-tena loatra, ry zana-dRailovy,
fa fantatro ny lanja, izay hanananao.
Eny! Ataovy an-tsaina, ary koa tsarovy,
fa raha ny nita sedra, toa efa vitanao.
I Meva no anarako, ilay tokam-po,
matahotra ankaso, sy lonilony koa.
Ka menatra ny hamaly, izay nambaranao,
toa zazazaza ihany, mbola be lalao.”

Ry Meva, babonao ny foko! Resy aho,
tena resinao, ka any ny toloko,
sy ny ady izay natao, dia amboaranao.
Tokin’ny fitiavako, atolotro ho anao!

“Toa volamena amiko, ry Mahefa keliko,
‘ty fanomezanao, ka mamiko sy teliko.
Etsy, oroka kely, tsy miendri-panajana,
fa voka-po mitia, mitondra hafanana,
no atolotro, atolotro ho anao!
Ka indro koa ny foko, indro hanjakao.”
RRAG
29 Aprily 2012
--------
Rohy:
347 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0222