Mbola hifamaly! (Santatry Ny Omaly)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Namana a!
Avelao aho ho irery fa,
Ndehàna ianao mandeha!
Avelao ho zakaiko samy irery ny adin' ny fanahiko,
Avelao izy hilanja ny vato fijaliany, ny hazom-pahoriany
Fa ... zakako io matoa, tsy zaraiko na amin' iza
Dia ...
Namana a!
Andraso kely aloha,
Mialohan' ny handehananao,
Inty no mba valio:
Moa mba tanin' iza ity honenantsika ity?
Moa mba inona ny dikan' ito tany tsy ahitàna fahasambarana?
Moa mba aiza re no hisy filaminan-tsaina ahafahana mba miadana e?
Ah, Namana a! Toa gina koa ianao,
Indrisy, miangatra ny tany!
Raha toa ka hiezaka aho hampitony izato foko, ...
Eny,
Ho vitako ihany izany anio,
Saingy,
Rahampitso kosa dia,
Hitamberina ato an-dohako ato indray ny lasako rehetra,
àry amin' izay aza a...
Angamba mety ho mafimafy noho izao, ny tora-defona hahazo ahy
...
Namana a!
Ndehàna dia,
Zory izato lalanao mbola tsara kajy fa,
Izaho sy ny fiainana,
Mbola hifamaly !
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo - fiainana
844 1
Mpakafy: Tojonyomaly
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138