Tia (Vanjanofy)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mahafinaritra ahy 'reto 'ty zazavavy ity a!Tsanganan-birijiny nanaitra ny fitiavako
henoko niankira ny kalon'olon'ory
sy hiran'olo-manina!
Tiako 'reto izy iny a!
fitiavan-tsy voafetra no hitiavako azy
fitia tsy toy ny efa
hita sy voasetra
hatrany am-piandohany
ny ao am-poko ao!
fitia tsy mba nateraka
na iniana antsoina
fa tonga an-tsitrapo
ka mamiko tokoa!
Tiako 'reto izy iny a!
toa tsy haiko hazavaina
tsy azo sary an-tsaina
ny fisehon'ny fitiavako
fitia mitobatobaka
toa rano tsy omby siny.
Diso feno loatra angamba ny ao am-poko
ka nivadika toloko?!
Toroy hevitra aho 'reto a!
Inona no ataoko
mba hanehoako aminy
'zao vetso-poko izao?
tiako mba ho fantany
sy hosotroiny koa
ny tsiron'ny fitiavako
hanalany hetaheta
sy hampitony fo...!
Tiako 'reto izy iny a!
K'izao ataonareo
hiangaviako indrindra:
Meteza hiombona amiko
hanonona ny vavaka
mba hiarovana azy tsy ho lasan'olon-kafa
fa ho ahy irery ihany.
Na tsy tanteraka aza
ny amiko sy ny aminy
tsy mampaninona ahy
fa hijanona ho nofy
ho gohako isak'alina!
--------
Rohy:
Sokajy :
Fitiavana