lasa (Vola)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
lasa« Lasa »,natao ho adinoina,tsy averina intsony
« lasa » ireo vita hatrizay,nokendrena mba hitony
« lasa » ireo adiady teo aloha,nakarary,naha vaky fo
« lasa » !!!
« lasa »ihany koa ireny tsikitsikinao
« lasa » avokoa ireo teny mamy fanao
« lasa »tsy niverina intsony ny fitiavanao
« lasa » !!!
Eny « lasa »
Fotoana fohy monja no nanovanao ny lalan tsika
Ho « lasa » avokoa ireo zay mba kinasa
Eny « lasa »
Fa moa va ianao any ho any ?tena sambatra tokoa ?
Nataoko ny tsy hanontany !anefa toa mahavaky fo
Eny ary !ataontsika hoe « lasa » avokoa
Anefa raha toa ianao ka hiverina,hamafa fahoriana
Hampody indray ilay fitia efa nariana
Dia ekeko ho « lasa » ihany koa
Izao fahoriako izao
--------
Rohy:
Sokajy :
Hanina - Fitiavana - Fisarahana - Fiainana - Fahatsiarovana - Fahantrana - embona - Alahelo
Mpakafy:
haraldtohaina
Hevitra mandeha
princesseN
(
02/03/2009 15:36)
tsofy rano r'se a!
tsara eh!
tsara eh!
felandefona
(
06/07/2009 12:33)
avelao andeha izy raha toa ka te handeha ary tsy maintsy mbola hiverina izy raha toa ka tia anao satria "on s'aperçoit toujours des gens qu'on aime quand on les a perdus" , et aussi "on ne sait pas ce qu'on possède jusqu'est ce qu'on le perd"
tohizo fa tsara ny tononkalonao
tohizo fa tsara ny tononkalonao
felandefona
(
06/07/2009 12:34)
avelao andeha izy raha toa ka te handeha ary tsy maintsy mbola hiverina izy raha toa ka tia anao satria "on s'aperçoit toujours des gens qu'on aime quand on les a perdus" , et aussi "on ne sait pas ce qu'on possède jusqu'est ce qu'on le perd"
tohizo fa tsara ny tononkalonao
tohizo fa tsara ny tononkalonao