Daty : 14/06/2015 07:59
Nijery : 1789
Tononkalo: 24 Jereo eto
Mankafy : 1 Ankafizo
Z'ANDRYGASY
Eny ny diam-peniko ry namana,No Mpanelanelana, mpampihavana
Vahoaka maro tsy tambo isaina.
Izy no manitsy, Eny manova toe-tsaina
Eny ny soratananay,
No hanafay
Hiady, tena sahy
Hanafoana ahiahy
Eny ny diam-peniko ry mpiraitanin-drazana.
Tsy miangatra, tsy manafina fahavoazana.
Ny sora-tanako no lalana, fanilo
Hanazava sy hanilo
Izahay tsy mpanonofy akory
Fa mpanankanto, mpanala sorisory
Eny Izahay dia Izahay
Eny Izahay, sahy manafay
Z'ANDRYGASY, Taom-baovao2004
Rohy:
https://vetso.serasera.org/mpanoratra/zandrygasy