Natopatopan'ny onja (Frederic Rnf)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nitopatopa toa ny bozaka
Tandrifin-drahona ilay masoandro
Saika potraka sy rava tanteraka
No indro avy ianao ilay Fanaperako

Ilay fiainana vao misandratra
Dia nidiran'ny fitsapana
Toa tsy tsaroako izany sambatra
Ka saika ho lavon'ny fahotana

Niaraka nirenireny tamin'ireo akama
Nandaniana ny andro sy ny fotoana
Tafalatsaka lalina anaty haditrana
No indro ny Tompo nanoro lalana tsara

Natopan'ny onja ny amolana
Ka tsy mba nihevitra izay iafarana
Nanenina mafy ka mba indro niala
Hiova hibanjina izay iafarana
--------
Rohy:
342 1
Mpakafy: Rnfrm
Hevitra mandeha
hery ( 10/08/2023 10:06)
Misy tsy azoko ilay teny
Rnfrm ( 09/11/2023 14:28)
hevitra momban ny inona no tsy azonao azafady ?
hery ( 02/12/2023 17:24)
Ireto ary ny fanitsiana hitako sy ny zavatra tsy azoko:
- Nitopatopa (tsy misy m)
- toha ny: mety hoe toa ny bozaka ve no tianao hotenenina?
- Sainka mpotra sy rava tateraka: Tena tsy haiko ny dikan'io mpotra io
Ny tsipelina sasany azo ahitsy ihany.
raims randriamalala ( 07/12/2023 05:27)
maro be ny fanitsiana hitako amin'ity tononkalo ity sy ny zavatra tsy dia azoko!
fanitsiana : tandrifindraona = tandrifin-drahona, hindro = indro, sainka = saika, tateraka = tanteraka, avoko = avokoa, natompa = natopa, tafanenina = ????
ny hevitra tsy azoko hoe inona no tiana hampitaina
nitopatopa toha ny bozaka???
sainka mpotra sy rava tanteraka???

Niaraka nirenireny tamin ireo akama
Natao avoko ireto kazana adalana
Tafalatsaka lalina ka saika tsy afaka niala
Kanefa mahery ny Tompo ka nanafaka????

Natompa ny onja ny adalana????

ny hevitra tsy azo hono mampiazoazo ka dia sitraka indrindra raha toa ka mba hampitaina tsara ny hafatra
ikalamako ( 24/12/2023 16:41)
Hery sy Raims : marina mihitsy. Rehefa toa izao ny tsipelina dia sarotra be ny hiantsa azy satria tsy tafita mihitsy ilay aingam-panahy fa marary hatramin'ny maso.
Niandry aho hoe hitondra fanitsiana i Aikatrinaina saingy mbola tsy nisy hatreto (efa tamin'ny volana aogositra ilay fanamarihana no niainga).
Ny tononkalo dia hay kanto ihany koa ka rariny raha mba kajiana tsara ny fanoratra azy.
Mankasitraka foana eto am-piandrasana ilay fanitsiana.
Rnfrm ( 21/02/2024 07:48)
Salama tompoko mialan-tsiny indrindra ny tenako fa tsy fafidtra mihitsy ny compt ako ra tsy izao izay ni antony naha ela ny fanitsina: ary maneo fisaorna ho anareo tamin ny fanampina ahy satry mbola vao mianatra manoratra ny tena de indro efa voahintsy arak izay natoronareo ra mbola misy fanamarinana de afaka raisana tompoko misaotra mialo.
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0167