Ty taona ity (andriary)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ity taona ity
Angamba zaho mbola haditra
Amin'ny otako tsy ritra
Hanohy ny lalana nombako
Hiatrika ny hatanorako!

Ty taona ity
Angamba izy mbola ho namako
Hizarako izay ananako
Dia ny hamafisan-katoka
Tsy laitra anarin-kapoka!

Ty taona ity
Zaho mbola hifoka
Mbola tsy hahafoy ny loka
Tsy maintsy hisy janga kely
Olombelona aho fa tsy anjely....

Tsia!
Tsia dia tsia!
Zany fahasahiako
Zany lalan-disoko

Tsia

Fa ity taona ity
Izaho hiova ho olon-kendry
Toy ny olona voatendry
Hiova hatrany am-potony
Handao ny ratsy sy ny lotony!

Fa ty taona ity
Zaho hivavaka am'zay
Hatramin'ny mandrakizay
Ka hiezaka ho olo-masina
Ho fiainako voaafina

andriary
--------
Rohy:
910 4
Hevitra mandeha
NyKanto ( 31/12/2004 13:29)
Izany ka tononkalo hendry!
Ny Kanto
yonikafopl ( 31/12/2004 17:42)
tsara fa tohizo, ary dia mirary izany ho tanteraka eo @ fiainan'ny mpanoratra.
vetsoko ( 03/01/2005 00:35)
tsy efanao irery anefa io fa mangataha hery avy @ray,mahafinaritra le fahavononana
monina ( 03/01/2005 09:06)
tonokalo mahafinaritra!tsy ratsy lay lalana
andriary ( 03/01/2005 10:09)
misaotra e!mahafinaritra ny hevitrareo!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : andriary
Nampiditra : andriary
Daty : 31/12/2004 13:09
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097