Anjely - Dogme Razafy
Azo vakiana?
Mafikely ny orokao;
Doladola, topi-maso
Anjely kely milalao
Tiako kely k’alefaso!
Mamikely ka tohofy,
Sentosento paradisa
Bitsibitsika mandrotsy
Bitabitaka, alin-kisa!
Nofy kely, nofy izao
Ampiko kely fa andraso;
Akipio ny masonao!
Anjelikely milalao
Tiako kely k’alefaso
Mafikely ny orokao!
29 Aprily 2022
Sokajy :
Eritreritra mandalo
Mombamomba
Mpanoratra : Dogme Razafy

Nampiditra : dogme
Daty : 19/01/2023
Mpamangy : 60
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
Very FoRaozy
Nofiso...
Manako
Fahavaratra
Tovovavy Malagasy