Androany sisa... (eric dgp)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Androany aho sisa no hitomany farany
Hanapa-kevitra ny hanadino ny fitiavany
Sy hamafa ireo lasany...
Handao anao ity foko mbola tia
Hamadika ilay voady hoe
Hiaraka ho doria
Tsy sanatria hoe tsy tia anao intsony
F'izaho no mahatsapa tsy tiana
Ka mibaby fahoriana.
Tsy tsapanao mantsy ny fitiavako
Ka noraisinao ho kilalao ny fitiavako anao
Modianao tsy heno, modianao tsy fantatra
Ity foko tafalatsaka, izao anefa tena raraka
Eny eh..? mafy tokoa zany tia anefa tsy tiana
Na dia efa niezaka nitondra izato hafaliana
Adaladala tokoa moa rehefa tia
Tsy mahalala mionona fa mitady mbola hitolona
Ity ady efa fantatra fa mahavoa
Ka aleo hahalala tsy tiana
Fa tsy hitady fijaliana ity olona tsy tia
Ka hametraka veloma
Tsofiko rano ianao ry malala
Hahita izay anjara
Izaho kosa hametra-pialana
Fa hitako tsy izaho
No tianao hivoady eo ambony alitara?

......R.eric # dgp
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
146 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0149