Ry foko matoria (eric dgp)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry foko etsy matoria
Angamba ve ny ankason ny tany no itonjanao fijaliana
Ilay mba sisa kely fifaliana
Niainanao teo anilany...
No lasa tsy nanao veloma ilay any mba silany ...
Ilay nokarakarainy mba hitoerany...
Eny ...!
Mionona ry foko kely tia
Tsy nahatokana ho anareo ny hiara dia
Eny mitsangana....
Na dia mbola reraka ny lainga izay nafafiny
Nazahoany ny maminy...

Aza manantena tsony ny hiverenany
Aleo hizorany ny lalana alehany
ianao moa roboka fa tia
Niandrandra ho doria
Nanome fitia manontolo
Mba nanantena ho voakolokolo
Nomeny anao ry sombiniaina
Tsy noferotany aina
Fa mbola vitany nandao
Fa nahita vaovao...
Ndao atory hiandry ilay maraina
Etsy...mitsangana sombiniaina
Fa mbola ho avy ilay tena ho antenaina.
R.eric 12/03/2024
--------
Rohy:
Sokajy : Marsa 2024
129 3
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147