Satria mo ny foko tena ti (eric dgp)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Satria mo ny foko tena tia
Tsy nahay niantsara ivelantsihy
Fa nivoady niaraka ho doria
Dia nanome izay rehetra taty
Tsy misy nozaraina
Fa nomena anao ilay mamy ny aina
Ka anefa toa tsy tsapanao
Izay fitia atolotro ho anao
Toa ninia anao tsy hita tsy nojerena akory
Ny foko tena tia izy anefa ory
Matsiaro manina irery
Ankizy nilaozan tsakaiza
Te hivadika ilay dina ka nefa mo mba ho aiza
Voasakana ity foko tena tia
Eny efa mafy ny mahazo fa tazomin ny fitia
Mba niezaka ny hiala
Efa nafindrako ho any afa
Anefa tsy tamana
Eny eh....aleoko za hiandry eto ihany
Indray andro ve tsy ho tsapanao fa za ilay tena mamy.....
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
471 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014