Anaka (eric dgp)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Anaka raha miresaka aminao amin'ny alalan'ity rakitsoratra ity aho anio

Izany dia mba hahafantaranao fa misy ny rainao ary eric no anarany

Nalahelo aho hatramin'ny nisarahanay sy ny reninao
Naha tonga anao toy izao

Tsy nahita anao aho nandritra izany fotoana izany ka nalahelo aho latsa tomany

Tsy aiko ianao any salama sa manaoahoana na ahoana,

Mivavaka andro aman'alina aho mba ho afaka hitsoka ny labozia eo anilanao isaky ny marsa

Matetika aho no manao toy ny orana rehefa mahita ankizy mitovy taona aminao miteny
Hoe any izay zany zanako izany
"3 taona ianao androany."

Dia nanoratra izao kalo izao aho mba ahatsiarovanao ahy indray andro any

Fa tsy hanary anao anefa aho fa hoporofoiko aminao hoe izaho no dadanao

Indray andro any aho dia ho eo anilanao miaraka amin'ny fanomezana mafonja ho atolotro ho anao

Na dia fantatro aza fa tsy hiverina intsony ireo fotoana mamy teo anilanao...

Talohan'izay dia tsy aiko hoe aiza no tany anariko ny tenako satria difotriny alahelo anao...

Fantatro izao hoe manana fialanenina aho mba ahafantaranao fa misy ny dadanao

Mandany ny alina ao anaty lamba firakotra aho ary misokatra ny masoko

Manontany aho raha mafana ianao any ny andro mantsy ririnina

Satria aiko hoe marefo ianao ka mila manao mafana fa tsy mazaka mangatsika

Ary mitomany aho raha mahita ankizy mitovy ny fiainanao hoe tsy fidiny azy izao...

Na dia kely ary ny karamako aty ampesanako hivelomako dia matsiaro manankarena aho na dia tsy eto anilako aza ianao satria manana anao

Fa aleo miteny aminao hoe belouh kelikoo mamikooo

Lazao ahy ny fiainanao

Amin'ireo ora tsy misy ahy

Amin'ireo fihomehezana tsy hita rehefa nalahelo anao aho

Raiso amponao aho ary antsoy hoe dada ah

Aza adino ny fisianao fa matoa anao nisy dia teo i dada
Fa nohony sompatriny fiainana izay tsy safidinao akory ny antony izao
Aiko hoe tsy safidinao izany fa matoa nisy izao dia zay no lahatra...
Eric randriamanampisoa...
Lundi 29 juillet 2024
21h 34min
--------
Rohy:
Sokajy : Alahelo
108 0
Hevitra mandeha
hery ( 30/07/2024 17:11)
mahereza re
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0623