Betsaka ny tsara fa ianao (eric dgp)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Betsaka ny tsara fa ianao ihany no tiko
Maro ireo maha sarika fa ianao nosafidiko
Ny akanto sy toetra tsara ananao
No iny indray nampitombo lanja ny fitiavako
Malala ah...????tiko ianao irery no itantana ny tanako
Tiko ianao irery no isakambina ny vatako
Faniriko ianao no mba hiaraka amakivaky ny lalako
Eny fa na mora na ho sarotra iarahantsika miaritra
Ny taratrao ny fahazavako
Ny dia anao no mahalala ny lalana ombako
Aminao irery ihany ny foko no tony
Aminao irery ihany izy no renjikin ny tory
Na maro ireo mpakahala
Na lalovam pahatrana
Dia tsy ho rarahiko akory na ho sainiko
Fa ianao ilay efa nantenaiko
Tojo anao aho malala dia mirana
Afa po fa tsy sahirana
Dorehitra toa manga foana izany lanitra izany
Diboka fitia ka tsy matsiaro ambony tany
Ilay tsikinao iny no hery hoetiko miady
Ity fiainana sahirana sy efa mafy ady
Tiko ho fantatrao malala fa izaho efa vonona isedra ka na maro ny tsy tia
Tsy afaty ilay fitia miredareda
#eric #dgp
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
458 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136