ANATR'I DADA (faniriantsoa RAZAKAMALALA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
(M: Miora; D: Dada; N: Neny)

M: Dada a!ndeha hivoaka kely aho mba hanala sorisory
Dia mba omeo vola fa tena boribory
Tsy misakafo aty fa aza isana akory
Dia tsy mody amin'ny alina fa any no matory

D: 'Dray ry Miora, zany mba toe-tsainao
Tsarovy fa mandalo anie izao fiainana izao
Amin'izay ny fitafiana, tsy mety ireny fa alao
Mba mitandrema ihany fa tovovavy anie ianao

M: Ny fiainana mandalo!!! efa fantatro ihany
Nefa moa impiry mba tanora eto an-tany?
Raha fitafiana kosa, tsy olana raha izany
Toy izao daholo anie ny ankizy rehetra any e

D: Miteny ihany aho, miteny anao aho ry Miora
Lanjalanjao ihany fa ianao anie tanora
Ny fiainana amin'izao koa efa tsy moramora
Raha ny fahitako anao dia miantsilany no mandrora

M: Aza mifampiteniteny, fa tsy misy idiranao ny fiainako
Efa antitra ianareo ka tsy itovy amin'ny fisainako
Tsy raharahako ihany koa na tsy mihaino ny tarainako
Sady ianareo tsy mahita ny tontolo iainako

N: Miora a, fitiavanay anao anie no itenenanay izany
Tsy sitrakay ianao raha mijaly sy tomany
Tsarovy ry Miora, fa misy fiainana hafa any
Sady tsara lavitra mihoatra ny eto an-tany

M: Resakay sy Dada tsy misy idiranao ry Neny
Raha resaka baiboly... f'ianao ve mpitoriteny e?
Manoatra noho ireny pastera ireny
Maika aho fa omeo 'lay vola f'aza mifampiteniteny

D: Fa liam-pandrosoana ve sa tena ratsy taiza?
Sa tarihin'ireo naman-dratsy sy sakaiza?
Tsarovy ry Miora fa na ho aiza ianao na ho aiza
Dia io fandrosoana io tsy itondra anao mankaiza

M: Iza moa no nitaiza ahy? ianareo ihany izany
Raha fandrosoana kosa dia miha-tsara hatrany
Ny sakaiza sy ireo namako any ambadimbadika any
Tsy hoe mitarika ahy fa izay tiako hatao ihany

D: Tsarovy ry Miora, fa izato fiainanao tsy tsara
Satria dia manalavitra'lay fomba Gasikara
Toa tsy gasy intsony, ka tezitra izy mankahala
Satria 'lay taizany fahazaza, tanora dia niala

M: Marina izany, tezitra izy fa tsy tazako
Izao vao itako sy tsapako fa io no tanindrazako
'lay nitaiza sy nijery ahy fony fahazazako
Ka mety ho tezitra izy raha mahareha ny lazako

N:hay ve mba tsapanao ry Miora izany firenena?
Efa fantatrao izany ka mba mahatsapĂ  tena
Aza maditra intsony, ny hoavinao jerena
Dia hamiratra ato an-trano, fa zaza feno fahendrena

M: tena misaotra anareo ry Dada sy Neny
'Lay nitaiza sy nikolo ahy fony aho mbola tsy niteny
Tanora kosa anefa dia nanadino ireny
Ianareo no mba nanitsy, ianareo Ray aman-dreny

Faly aho ankehitriny, ka teny kely no holazaiko
Hanitsy ireny namako, hilaza izay mba haiko
Manomboka androany, fahendrena no lalaiko
Fa ny anatrao ry Dada, tsy ho afaka ato an—tsaiko.

Faniriantsoa
--------
Rohy:
734 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143