RASAZY (faniriantsoa RAZAKAMALALA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
RASAZY?‍⚕️
Rasazy a, rasazy oh, matimatinao aho?
Tsy haiko fa ny foko toa reko mitalaho❤️
Miantso anao malala, miantso anao ho tiana
Mahatsiaro anao foana aho, mivavaka mangina?

Rasazy mamikeliko oh, avia ho aho zah tsindromy?
Fa tiako anie le raisinao, fa ataovy ambonimbony?
Rehefa ianao 'lay garde, dia marary ndray ny nify?
Fa hoany amin-dRasazy, itsindrona, itampify?

Rasazy a, Rasazyyyyyy, babonao anie ny aty?
Maniry anao loatra aho, fa toa tsy sahy mitia
Fa hafa mihitsy ianao, ka iriako mba ho anjara?
Indrindra moa ianao lay mavokely, sy 'lay kiraro maramara?

Ny tsindrona nataonao ahy anie toa tapitra sahady?
Nanomboka zoma ve de nifarana alahady? ?
Saingy ireny anie, tsy ho adino velively?
Ka maniry ny iverina aho rasazy manjakely

Zao koa kay vao fantatro, fa kay tsy vazivazy?
Fa tsy izaho irery no mankafy anao rasazy
Fa zay rehetra hitako, dia rediredy anie izany
Fa inona no antony?, hay ka rasazy ihany?‍⚕️

Rasazy be fitiavana, malalan'ity foko❤️
Rasazy mahay manindrona, rasazy anie tsy foiko
Tsy misy mihoatra anao anie rah izao tontolo izao?
Rasazy a, rasazy oh! Tena tiako loatra ianao❤️
Faniriantsoa
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
154 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0582