DISO FIANTEFA (faniriantsoa RAZAKAMALALA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
DISO FIANTEFA
tsy haiko na fitia
mety ho diso fiantefa
fa tena lasa tia
tia anao aho,kanefa

toa efa manan-tompo
nefa dia notiaviko
tsy voatanako ny foko
tia anao aho tsy mba laviko

eny e,tsy olana amiko
raha izay olon-tianao iray
fa ianao 'lay tena mamiko
tiako efa hatramin'izay

efa ela ianao no tiako
fa mba niandry matomatotra
kinanjo lasa fahoriako
fa ianao efa voafatotra

efa tara aho raha izao
no mba hanolotra fitia
nefa dia...tiako ianao
tsy voatanako satria...

lasa nisy fitiavana
nitsiry kelikely
ka namelana,nadravina
tsy ho faty velively

ka indro 'lay fitia
omeko anao izao
raiso,matokia
dia valio raha sitrakao
Faniriantsoa,in tononkalom-pitiavana
tak 132,19/02/21
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1326 1
Hevitra mandeha
faniriantsoa RAZAKAMALALA ( 27/04/2021 04:52)
Ity tonokalo ity dia atolotro ho an'ilay malalako taloha.
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : faniriantsoa RAZAKAMALALA
Nampiditra : faniriantsoa RAZAKAMALALA
Daty : 27/04/2021 04:50
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145