EFA HENDRY AHO (faniriantsoa RAZAKAMALALA)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Taloha aho nadiditra, tia miady sy migafy
dia nifoka sy niloka, tiako koa ny mampirafy
ireo toetra sy talenta, fony mbola fahazazako
lasa nanelingelina ahy, dia nariako, mba tsy ho tazako

Dia mahanihany ahorehefa zoky no miteny
dia maniratsira koa, rehefa hoe Dada sy Neny
ny fiainako rehetra dia ratsy no nanjaka
noteren'ny hatanoran, sy fandrosoana lalim-paka

Hanao ratsy ny ato an-tsaiko, vantany aho raha vao mifoha
ireo zoto nianatra fahiny, sy fivavahana taloha
dia adinoko avokoa, fa dia reraka nananatra
ireo Ray aman-dReniko, ihany koa ireo mpampianatra

Fa gagagaga ihany aho, tena gaga aho taminao
fa niova be ny fiainako, toa tontolo vaovao
toa anatra iray monja, nobitsianao tamiko
dia niantefa tany am-poko, sady teliko sy mamiko

Indray mipi-maso dia, lasa hendry koa ny tenako
ka izay indrindra mantsy no antony hitenenako
fa…hafa mihitsy ianao, na endrika na toetra
fa dia babonao tanteraka ny amiko rehetra

Ka raha misy tsy mety ataoko, aza bedesina ah
fa raha ianao no mba manitsy, dia tsy afaka aho ny handà
nampiakatra ny aingam-panahiko, nampiova ahy ny fisianao
mankasitraka malala, efa hendry aho amin'izao

Faniriantsoa
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
218 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : faniriantsoa RAZAKAMALALA
Nampiditra : faniriantsoa RAZAKAMALALA
Daty : 01/10/2023 13:34
Antsantononkalo
Nantsain'i hery
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0817