ENY HO AHO (faniriantsoa RAZAKAMALALA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
ENY HO AHO
eny ho aho ry sombin'ny aiko
moa mba fantatrao ve?
ny halalin'ny adi-tsaiko
sy ny adim-piainana gejaiko

eny ho aho ry zanako
moa mba fantatrao ve?
f'ianao irery no fananako
sy mba harena izay tsy ananako

eny ho aho ry tena tiako
moa mba fantatrao ve?
fa iaretako ny fijaliako
noho ianao no mba iadiako

eny ho aho r'ilay malalako
moa mba fantatrao ve?
fa ianao no fahasambarako
sy mba handimby ny anarako.
faniriantsoa
--------
Rohy:
537 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143