SAMBANY sambany tamin'ny (faniriantsoa RAZAKAMALALA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
SAMBANY
sambany tamin'ny tantarako
No nanana ny tena tiako
Izay nanova ny lalako
Sy mba nanitsy ny diako

Sambany teo amin'ny fiainako
No nanana izany olontiana
Niova ny fomba fisainako
Nanomboka teo dia nangina

Sambany tamiko loatra
Izany fisian'ireny
Ka tsy haiko ny nanararaotra
Ilay fitiavana efa nomeny

Sambany tamiko izany
Nanova ny fomba fijery
Nanana namana ihany
Lasa olona roa fa tsy irery
Faniriantsoa
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
368 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : faniriantsoa RAZAKAMALALA
Nampiditra : faniriantsoa RAZAKAMALALA
Daty : 30/08/2022 08:55
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137