IANAO ILAY POETA (faniriantsoa RAZAKAMALALA)

Nantsain'i ikalamako
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
IANAO ILAY POETA

raha vao mahita ny asa soratrao aho
dia mientana ny foko,mitaraina,mitalao
ny diam-peninao,dia mamaritra ny fiainako
ny kalokalonao toa mahatsapa ny tarainako

Ka ianao ilay poeta,mpanome ny fahasambarako
ny soratrao rehetra dia milaza ny tantarako
toy ny hoe...nitety an'izao tontolo izao
rehefa mamaky ireny asa soratrao

Ianao ilay poeta,mpampisava ny tomany
ianao ilay mpanandratra ny literatiora eran-tany
mpamorona ny kanto,mpitazona mpandalo
mpanome ny hevitra ao anaty tononkalo

Ianao ilay poeta,mpanitsy,mpanabedy
olon'ny nofinofy,olona mpirediredy
mpaminavina ny ho avy,sy mpivetso ny efa lasa
kanto soratra,kanto fiteny,kanto asa

Zanahary tapany hoy ny sasany milaza
ianao ilay mpanoratra,poeta fanta-daza
ka maniry mba hamaky,hihaino sy hijery
ny asa soratrao poeta,mpampitony,mpampahery
--------
Rohy:
Sokajy : Aingam-panahy
448 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : faniriantsoa RAZAKAMALALA
Nampiditra : Faniriantsoa RAZAKAMALALA
Daty : 21/03/2022 11:39
Antsantononkalo
Nantsain'i ikalamako
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2466