NY SORATRO (faniriantsoa RAZAKAMALALA)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NY SORATRO
nambabo anao ny soratro
sy ny asan'ity peniko
ny hafatra natorako
ny hevitra sy teniko

mety nahaliana anao
ny vetso,kalokaloko
nefa raha mba fantatrao
fa ainga mba nandalo

taminao no niantefa
izany sora-tanako
hanakiana ianao ,kanefa...
io no mba ananako

tsy izao tontolo izao
dia ho hitako,avokoa
fa io no nitondra anao
ho,amin'ny tsara sy ny soa

mety nitondra anao
tany amin'ny fahasambarana
io mantsy no natao
dia raisina sy ianarana

tsy fahaizana nindramiko
ny talenta izay ananako
voajanahary tamiko
ny tononkalo,sora-tanako

nofinofy ihany anefa
ny zavatra nambarako
tsy ho tanteraka,kanefa...
taratry ny fahasambarako

toa rediredy ny ahy
raha mamoaka ny ato an-tsaiko
fa ny vetson'ny fanahy
no mba tantaraiko

ny vetsovetso-poko
nolazaiko sy nambarako
ny soratro,kaloiko
dia hamantaranao ny anarako
faniriantsoa
--------
Rohy:
508 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137