MITIA MANGINA (faniriantsoa RAZAKAMALALA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
MITIA MANGINA
zakaiko amim-pitsikiana
ity foko misy fery
fa hotiaviko mangina
hokoboniko ho ahy irery

sahirana ny vavako
nefa aleo aloha iafiako
mba tsy hilaza ny fitiavako
aminao ry tena tiako

fa ato am-poko ihany
no itiavako anao
izaho tsy hilaza izany
amin'izao rehetra izao

aleoko mitia mangina
mba tsy hanenenako
na ho mandrapa-oviana
fa matahotra ny tenako

matahotra ilaza izany
matahotra satria...
tsy haiko ny any am-ponao any
na ho eny na ho tsia

na mijaly re ny foko
na miasa koa ny saiko
na dia sento sy toloko
fa ny hiteny toa tsy haiko

raha ny ato am-poko anefa
mba te hanana olon-tiana
sady tia anao,kanefa...
aleoko mitia mangina
Faniriantsoa
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1009 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : faniriantsoa RAZAKAMALALA
Nampiditra : Faniriantsoa RAZAKAMALALA
Daty : 03/01/2022 13:53
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0151