NOLAVINAO (faniriantsoa RAZAKAMALALA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
NOLAVINAO
Taitra be ny foko, raha ilay nolavinao
naratra, nitomany, fa tsy misy ny azo atao
ny mety angamba de ny misolo vaovao
nefa tsy mionina izy satria... tiany ianao

Tsy ho adinony mihitsy, iny ranomasony iny
ranomaso tsy mba ritra noho ianao ry tena tiany
ianao no nojineriny, ianao no nitodiany
saingy nolavinao izy nefa dia niafiany

Nolavinao ny fangatahako,nolavinao ilay fitiavako
faniriana tato am-poko izay niloaka teo ambavako
ka dia malahelo, malok'endrika ny tavako
miady mafy koa ny foko ka dia mety tsy ho ravako

'Lay raozy menamena izay nomeko tamin'izany
manamarika fitiavana ho doria tsy mety lany
dia lasa niova fotsy, ho finamanana ihany
ka tsy misy tsiny re, f'aleo aho mba hanontany

Efa mana-tompo ve? Efa manana olon-tiana??
sa zahay mainty sy mahantra dia tsy tiana?
raha mbola hieritreritra de mandrapa-oviana?
fa ny foko nitomany taminao ka tsy mangina

Toa manelingelina ahy daholo izao rehetra izao
fa naniry mafy re, an'ilay fitiavanao
ny mamoy fo sisa no hany tsy azo atao
fa tsy ho zakako mihitsy raha toa ka lavinao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
623 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.016