PARADISA (faniriantsoa RAZAKAMALALA)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
PARADISA
vetsovetso sisa
no ataoko kilalao
fa mahita paradisa
raha mahita ny endrikao
dia mamisavisa hoe...
tia ahy ve ianao?

zary fahasambarana
sy lasa fifaliako
vao maheno 'lay anarana
anaranao ry tiako
dia etsy mba hafarana
sady anontaniako
paradisa ve ity lalana
izay nosafidiako?

lasa hitako eto
paradisa vaovao
feno tsiky tsy misy sento
nefa dia 'lay endrikao
ka mametsovetso hoe...
tia ahy ve ianao?

fa raha izaho aloha
no mba anontaniana
dia tena tia tokoa
ka maminavina hoe...
raha isika roa
no mba miaraka ry tiana?
tena sambatra ity fo
sady feno fifaliana

faniriantsoa,in tononkalom-pitiavana
tak 110,12/04/20
page:faniriantsoa
facebook:faniry An'tsoa
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
659 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : faniriantsoa RAZAKAMALALA
Nampiditra : faniriantsoa RAZAKAMALALA
Daty : 26/04/2021 10:13
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014