Madagasikara sy ny voariny (Frederic Rnf)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Maro ny firenena manana ny voarinyFa i Gasikara Nosintsika tsy mena mitaha
Tsy ho resin'ny maro fa dia manana ny lanjany
Raha resaka voary no ho jerena sy ampitahaina
Manana ny voary maro izay mampiavaka azy
sy ireo vokatra voajanahary toy ny lavanila
Izay afaka mifaninana amin'ny firenena maro
Afaka mijoro atao fitaratry ny hafa ihany koa
Madagasikara ilay Nosy maitso tsy manavaka
Ankafizin'ny maro amin'ny fananany voary miavaka
Izay mandalo dia miraikitra toy ny tsipolitra antitra
Ka malahelo sy misento raha vao hariva ny andro
fa sambatra raha samy sambatra hono Tsimbazaza
Fa manana voary maro tsara sy ny lazany
Fa sambatra raha samy firenena i Gasikarantsika
Fa afaka mamatsy vokatra azo avy amin'ny voariny
Raha misy tokony ho arovana, tsy aleo ve miaro ny
Tontolo izay iainana ?
Raha misy firenena mahasahy milaza fa manan-karena vatosoa
Dia lazao izy fa i Gasikara ihany koa no tena manana ny soa
marsa-2024
--------
Rohy:
Sokajy :
Tanindrazana
Mpakafy:
Hobinakely - Rnfrm
