You are here: home > Vetso

Raha tena tia - Ilay FANAMBY

Azo vakiana?

  Raha tena tia

Raha tena tia ahy ianao de:
  -tsy nitanisa ny lasa fa nibanjina ny hoavy naminavina ny ho sisa mba tsy ho ritra

Raha tena tia ahy ianao de:
-tsy nanisa reny hadisoako efa lasa fa nibanjina ahy ary namihina ahy mba  ho afaka tamin'ny ratra

Raha tena tia ahy enao malala de:
-Voavela ny heloko ary   toky no mbola ho ventso hanarenana lay fiti hatr'eto  

Raha tena tia ahy enao rahavako de:
-any ambadika sahondra lay hadisoako no apetrakao,tsy iverenana koa fandrao tsy zakanao

Raha tena tia ahy enao de:
-ritra lay ranomaso  ka natao hoe ranomaso nandalo mbola vonona hikalo
-eny ranomaso latsaka haminavina ilay fanirian'ilay fitia ho mandrakizay ho doria.

(Ilay FANAMBY,raha tena tia,nov 2021)