You are here: home > Vetso

AMPIO FA TSY SAHY - jyno

Azo vakiana?

Ray o! Ireny fahotako, ireny hadalako
angataham-pamelana
Toy ny jaky izy ireny fa ho fotsy hangatsakatsaka
raha toa ka hosasana
amin'ny Ran'ny Zanakao
'lay nahafoy ny ainy hanavotana ahy
Ray o! Diso aho!!!...
Ampio hitraka fa tsy sahy!

Fa marefo itony nofo ka nandentika ahy
tamin'ny lavaky ny ota
Tsy nanaja ny "Olona" nampiavaka ahy
fa avy dia nisotasota,
nandratra sy nanimba
ka nandoto ny Fanahy.
Ray o! Diso aho!!!...
Ampio hitraka fa tsy sahy!

jyno
Ambondromamy
30 Dec 2013

Sokajy : Vavaka

Mombamomba

Mpanoratra : jyno

Nampiditra : jyno
Daty : 11/01/2016
Mpamangy : 886
Mankafy : 1

Tononkalo hafa

TSIKY
EFA FANTATRAO
ORA MAMIKO
HAVANA
IZY IREO
MADE
MANDEHANA RY FANAHIKO
MBOLA HO TAFARAY
ANATRA
VAVAKY NY OSA